Mark 16

1Rehefa tapitra ny andron’ny Sabata, dia nividy zava-manitra hosorana amin’ny fatin’i Jesosy i Maria Magdalena sy Maria renin’i Jakoba, ary Salome nividy hanitra mba handeha ary hanosotra ny fatin’i Jesosy. 2Vao maraim-be tamin’ny andro voalohan’ny herinandro, dia nankeny amin’ny fasana izy ireo rehefa niposaka ny masoandro.

3Dia nifampiteny izy ireo hoe: “Iza no hanakodia ny vato eo amin’ny varavaram-pasana ho antsika?” 4Rehefa nitraka izy ireo, dia hitany fa efa voakodia niala ilay vato, izay tena lehibe tokoa.

5Niditra tao am-pasana izy ireo dia nahita zatovolahy niakanjo fotsy, nipetraka teo ankavanana, ary dia gaga izy ireo. 6Dia hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Aza matahotra. Mitady an’i Jesosy ianareo, ilay Nazarena, izay nombohana. Nitsangana Izy! Tsy eto Izy. Jereo ny toerana izay nametrahan’izy ireo Azy. 7Fa mandehana, lazao ireo mpianany sy Petera fa hialoha lalana anareo any Galilia Izy. Any no hahitanareo Azy, araka izay nolazainy taminareo.”

8Nivoaka izy ireo ka nihazakazaka niala ny fasana; nangovitra sy talanjona izy ireo. Tsy nilaza na inona na inona tamin’ny olona izy ireo satria tena natahotra mafy.

9[Fanamarihana: Ny fandikana taloha tsara indrindra dia manala ny Marka: 16: 9-20] Vao maraina tamin’ny andro voalohan’ny herinandro, taorian’ny nitsanganany, dia niseho tamin’i Maria Magdalena aloha Izy, ilay nandroahany demonia fito. 10Dia lasa Maria ary nilaza ny vaovao tamin’ireo niaraka tamin’i Jesosy, raha mbola nisaona sy nitomany izy ireo. 11Ren’izy ireo fa velona Izy ary nahita Azy izy, saingy tsy nino izy ireo.

12[Ny fandikana taloha tsara indrindra dia manala ny Marka16: 9-20] Taorian’ireo zavatra ireo Jesosy dia niseho tamin’ny endrika hafa tamin’ny roa tamin’izy ireo, raha nandeha ho any an-tanàna izy ireo. 13Dia lasa izy ireo ary nilaza tamin’ireo mpianatra sisa, saingy tsy nino izy ireo.

14[Fanamarihana: Ny fandikana taloha tsara indrindra dia manala ny Marka16: 9-20] Taoriana kely dia niseho tamin’ny iraika ambiny folo lahy Jesosy raha mbola teo am-pisakafoana izy ireo, ary niteny mafy azy ireo Izy nohon’ny tsy finoana sy hamafin’ny fon’izy ireo, satria tsy nino ireo izay nahita Azy taorian’ny nitsangany tamin’ny maty izy ireo. 15Ary hoy Izy tamin’ireo hoe: “Mandehana any amin’izao tontolo izao, ary torio amin’ny olona rehetra ny Filazantsara. 16Izay mino sy atao batisa no ho vonjena, ary izay tsy mino kosa dia ho helohina.

17[Fanamarihana: Ny fandikana taloha tsara indrindra dia manala ny Marka 16: 9-20] Ireto famantarana ireto dia hanaraka ireo izay mino: Amin’ny anarako no hamoahan’izy ireo demonia. Hiteny amin’ny fiteny vaovao izy ireo. 18Handray menarana amin’ny tanana izy ireo, ary raha misotro zava-mahafaty izy ireo, dia tsy hampaninona azy ireo izany. Hametra-tanana amin’ny marary izy ireo, dia ho sitrana ireny.”

19[Ny fandikana taloha tsara indrindra dia manala ny Marka 16: 9-20] Rehefa avy niresaka tamin’izy ireo ny Tompo, dia nampiakarina ho any an-danitra Izy ary nipetraka eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra. 20Dia lasa ireo mpianatra nitory teny rehetra teny, ary ny Tompo niara-niasa tamin’izy ireo ary nanamafy ny teny tamin’ny alalan’ny famantarana izay niaraka tamin’izy ireo.

Copyright information for PltULB